Salamo 31 (MRV)
1 TOMPO ô! Ianao no ialofako. Aoka tsy hitsanga-menatra akory aho mandrakizay ! Afaho amin’ny fahamarinanao aho !
2 Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hanafaka ahy ! Aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Ianao mba hamonjena ahy !
3 Fa harambatoko sy manda fiarovana ho ahy Ianao ary noho ny anaranao no hitondranao sy hitarihanao ahy.
4 Hanafaka ahy amin’ny fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy Ianao, fa Ianao no fiarovana mafy ho ahy.
5 Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; fa efa nanavotra ahy Ianao, TOMPO ô, Andriamanitry ny fahamarinana !
6 Halako izay mifikitra amin’ny zava-poana mamitaka, fa izaho dia NY TOMPO no itokiako.
7 Hifaly sy hiravoravo amin’ny famindramponao aho fa mahita ny fahantrako Ianao ka mahafantatra ny fahorian’ny fanahiko
8 ary tsy mba nanolotra ahy ho eo an-tanan’ny fahavalo fa efa mampitoetra ny tongotro teo amin’ny malalaka Ianao.
9 Mamindrà fo amiko, TOMPO ô, fa azom-pahoriana aho; simban’alahelo ny masoko sy ny fanahiko ary ny ao anatiko rehetra.
10 Lanin’alahelo ny aiko sady lanim-pisentoana ny taonako; tsy manan-kery aho noho ny heloko ary efa lany ny taolako.
11 Noho ny ataon’ny fahavaloko rehetra dia efa tonga fandatsa aho na dia amin’ny mpiaramonina aza; atahoran’ny olom-pantatro aho ary mandositra ahy izay mahita ahy eny ivelany.
12 Efa hadino any am-pon’ny olona tahaka ny olona maty aho, tahaka ny vilany fanary.
13 Fa mandre ny endrikendriky ny maro aho; eny, fampihorohoroana manodidina. Raha miara-mioko hamely ahy izy dia miray tetika hahafaty ny aiko.
14 Nefa matoky Anao aho, TOMPO ô ! Hoy aho: Andriamanitro Ianao !
15 Eo an-tananao ny androko; vonjeo aho tsy ho azon’ny tanan’ny fahavaloko sy izay manenjika ahy !
16 Ampamirapirato amin’ny mpanomponao ny tavanao; vonjeo amin’ny famindramponao aho !
17 Aoka tsy hitsanga-menatra aho, TOMPO ô, satria miantso Anao ! Fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin’ny fitoeran’ny maty.
18 Aoka hangina ny molotra mandainga izay miteny sahisahy manohitra ny marina amin’ny avonavona sy ny fanamavoana !
19 Akory re ny haben’ny hatsaranao izay voarakitrao ho an’ny matahotra Anao, dia izay nataonao teo anatrehan’ny zanak’olombelona, no ho an’izay mialoka Aminao !
20 Hanafina azy ao amin’ny fierena eo anatrehanao Ianao mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon’ny olona izy; hampiery azy ao amin’ny tranonao Ianao mba tsy ho azon’ny lela miampanga izy.
21 Isaorana anie NY TOMPO ! Fa nataony mahagaga ny famindrampony tamiko tao an-tanàna mimanda.
22 Fa hoy aho tamin’ny fahatairako : Voafongotra tsy ho eo imasonao aho ! Kanjo nihaino ny feon’ny fifonako ihany Ianao raha nitaraina Taminao aho.
23 Tiava NY TOMPO, ry olony masina rehetra ! Miaro ny marina NY TOMPO fa mamaly mafy ny mpiavonavona kosa Izy.
24 Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia ianareo rehetra izay miandry NY TOMPO.
Psaume 31 (PDV)
1 Psaume de David, pris dans le livre du chef de chorale.
2 Le Seigneur est mon abri, que je ne sois jamais couvert de honte ! Tu es fidèle, délivre-moi !
3 Tends l’oreille vers moi, viens vite à mon secours ! Sois pour moi le solide rocher qui m’abrite, l’endroit sûr qui peut me sauver.
4 Oui, mon rocher, c’est toi, et tu me protèges avec puissance. Guide-moi et conduis-moi pour montrer ta gloire.
5 Fais-moi sortir du piège qu’ils m’ont tendu, car toi, tu me protèges avec puissance !
6 Je remets ma vie dans tes mains. Tu m’as libéré, Seigneur, toi le Dieu fidèle.
7 Je déteste ceux qui adorent les faux dieux, moi, j’ai confiance dans le Seigneur.
8 Je danse de joie à cause de ton amour, car tu as vu mon malheur, tu as compris ma grande souffrance.
9 Tu ne m’as pas livré aux mains de l’ennemi, tu m’as remis debout, tu m’as rendu la liberté.
10 Seigneur, pitié pour moi ! J’étouffe ! Mes yeux sont brûlés par le chagrin, je suis complètement épuisé.
11 Je passe ma vie à souffrir et mes années à gémir. Mes péchés m’enlèvent toute énergie, et mes forces m’abandonnent.
12 Tous mes ennemis, et surtout mes voisins, me lancent des insultes. Ceux qui me connaissent ont peur de moi. S’ils me voient dans la rue, ils s’enfuient.
13 Je suis comme un mort qu’on oublie, je ressemble à un plat cassé.
14 J’entends les mensonges que beaucoup disent sur moi. La peur est partout. Tous ensemble, ils se mettent d’accord contre moi, ils ont l’intention de me faire mourir.
15 Mais moi, j’ai confiance en toi, Seigneur. Je dis : « Mon Dieu, c’est toi. »
16 Mes jours sont dans tes mains, délivre-moi de mes ennemis, de ceux qui me poursuivent !
17 Je suis ton serviteur, fais briller sur moi ton visage, sauve-moi par ton amour !
18 Seigneur, quand je fais appel à toi, ne me laisse pas couvert de honte, mais remplis de honte les gens mauvais ! Qu’ils se taisent pour toujours dans le monde des morts !
19 Ferme la bouche de ces menteurs ! Oui, ils parlent sans respect, avec orgueil et mépris, contre celui qui t’obéit.
20 Seigneur, ils sont grands, les bienfaits que tu réserves à ceux qui te respectent ! Devant tout le monde, tu les offres à ceux qui se réfugient en toi.
21 Eux, tu les caches à l’abri de ton visage, loin des attaques des gens, tu les protèges contre les paroles méchantes.
22 Merci au Seigneur ! J’étais comme une ville attaquée, mais son amour a fait pour moi des actions étonnantes.
23 J’étais désespéré et je pensais : « Tu m’as chassé loin de tes yeux. » Mais tu m’as entendu quand je t’ai supplié, quand j’ai crié vers toi.
24 Aimez le Seigneur, vous tous, ses amis fidèles. Le Seigneur protège ceux qui croient en lui, mais il punit durement les orgueilleux.
25 Soyez forts, reprenez courage, vous tous qui comptez sur le Seigneur !
Isaia 52.13 – 53.12 (MRV)
52.13 Indro, hambinina ny Mpanompoko; hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra.
52.14 Fa toy ny nigagan’ny maro Anao, simba ny tarehiny ka ohatra ny tsy tarehin’olombelona akory, ary ny endriny dia ohatra ny tsy endriky ny zanak’olombelona.
52.15 Toy izany no hampitalanjonany ny firenena maro. Hitampim-bava Aminy ny mpanjaka, satria izay tsy mbola nolazaina tamin’ireny no ho hitany ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy.
53.1 Iza no nino ny teny nampitondraina anay ? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’NY TOMPO ?
53.2 Fa naniry teo anatrehany tahaka ny zana-kazo madinika Izy, sy tahaka ny solofon-kazo amin’ny tany karankaina; tsy nanana endrika na hatsaran-tarehy Izy; ary raha nijery Azy isika dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy.
53.3 Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra fijaliana, tahaka izay tsy tian’ny olona hojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.
53.4 Nitondra ny aretintsika tokoa Izy sady nivesatra ny fanaintainantsika, kanjo isika kosa dia nihevitra Azy ho nokapohina sy nasian’Andriamanitra ary nampahorina.
53.5 Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika; ny famaizana nahazoantsika fihavanana no nihatra Taminy; ary ny dian-kapoka Taminy no nahasitranana antsika.
53.6 Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon’NY TOMPO nihatra Taminy avokoa ny helotsika rehetra.
53.7 Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ny mpanety azy; Eny, tsy niloa-bava Izy.
53.8 Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; ary iza tamin’izay niara-belona Taminy no nihevitra fa nofongorana niala tamin’ny tanin’ny velona Izy ka ny fahadisoan’ny oloko no nikapohana Azy ?
53.9Natao tao amin’ny olon-dratsy ny fasany, ary teo amin’ny mpanankarena ny toerana nandevenana Azy na dia tsy nanao ratsy aza Izy sady tsy nisy fitaka teo am-bavany.
53.10 Nefa sitraky NY TOMPO ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; rehefa manolotra ny tenany ho fanati-panonerana Izy dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary hotanterahina eo an-tanany ny sitrapon’NY TOMPO.
53.11 Noho ny fisasaran’ny fanahiny dia hahita mazava Izy ka ho afa-po. Ny fahalalana Azy no hanamarinan’ny Mpanompoko marina ny olona maro, ary Izy no hivesatra ny helok’ireo.
53.12 Noho izany dia hanome Azy anjara amin’ny maro Aho ary hizara babo amin’ny mahery Izy, satria naidiny ho amin’ny fahafatesana ny ainy, ary natao ho isan’ny mpanota Izy; eny, Izy no nitondra ny fahotan’ny maro sady nanao fifonana ho an’ny mpanota.
Esaïe 52.13 – 53.12 (PDV)
52.13 Le Seigneur dit : « Mon serviteur réussira. Il montera, il sera haut placé et couvert d’honneur.
52.14 Beaucoup, en le voyant, sont effrayés, tellement il est défiguré. Il ne ressemble plus à un être humain.
52.15 Et maintenant, des peuples nombreux seront étonnés à cause de lui, les rois resteront devant lui sans rien dire. En effet, ce qu’ils voient ne ressemble pas à ce qu’on leur a raconté, et ce qu’ils observent est différent de ce qu’ils ont entendu dire. »
53.1 Qui a cru à la nouvelle que nous avons apprise ? Qui a reconnu la puissance du Seigneur ?
53.2 Devant le Seigneur, le serviteur a grandi comme une petite plante, comme une racine qui sort d’une terre sèche. Il n’avait ni la beauté ni le prestige qui attirent les regards. Son apparence n’avait rien pour nous plaire.
53.3 Tout le monde le méprisait et l’évitait. C’était un homme qui souffrait, habitué à la douleur. Il était comme quelqu’un que personne ne veut regarder. Nous le méprisions, nous le comptions pour rien.
53.4 Pourtant, ce sont nos maladies qu’il supportait, c’est de notre souffrance qu’il s’était chargé. Et nous, nous pensions : c’est Dieu qui le punit de cette façon, c’est Dieu qui le frappe et l’abaisse.
53.5 Mais il était blessé à cause de nos fautes, il était écrasé à cause de nos péchés. La punition qui nous donne la paix est tombée sur lui. Et c’est par ses blessures que nous sommes guéris.
53.6 Nous étions tous comme des moutons perdus, chacun suivait son propre chemin. Et le Seigneur a fait retomber sur lui nos fautes à nous tous.
53.7 On l’a fait souffrir, mais lui, il a accepté cela, il a gardé le silence. Comme un agneau qu’on mène à l’abattoir, comme un mouton qui ne crie pas quand on lui coupe sa laine, il a gardé le silence.
53.8 On l’a arrêté, jugé, puis supprimé. Mais qui a fait attention à ce qui lui arrivait ? Oui, on l’a enlevé du monde des vivants. Il a été frappé à mort à cause des fautes de son peuple.
53.9 Il a été enterré avec les gens mauvais. Sa tombe est avec les riches. Pourtant, il n’avait rien fait de mal et il n’avait jamais trompé personne.
53.10 Mais le Seigneur donne raison à son serviteur écrasé. Et il a rétabli celui qui avait offert sa vie à la place des autres. Son serviteur aura des enfants et il vivra encore longtemps. Par lui, le Seigneur réalisera son projet.
53.11 À cause des souffrances qu’il a supportées, il verra la lumière, il sera rempli de bonheur. Mon serviteur, le vrai juste, rendra justes un grand nombre de gens, parce qu’il s’est chargé de leurs péchés.
53.12 C’est pourquoi je le mets au rang des plus grands. Il partagera les richesses des ennemis avec les puissants. En effet, il a accepté librement de mourir et d’être mis avec les bandits. Oui, il a porté les péchés de beaucoup de gens et il est intervenu pour les coupables.
Hebreo 4.14 – 16 ; 5.7 – 9 (MRV)
4.14 Koa satria manana Mpisoronabe lehibe izay lasa namakivaky ny lanitra isika, dia Jesosy, Zanak’Andriamanitra, aoka hihazona ilay efa nekentsika isika.
4.15 Fa tsy manana Mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika isika; fa ny antsika dia izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.
4.16 Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahatokiana mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ny fotoana ilàna izany.
5.7 Tamin’ny andron’ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana niaraka tamin’ny fitarainana mafy sy ranomaso be tamin’izay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy, ary nohenoina noho ny fahatahorany an’Andriamanitra,
5.8 dia nianatra fankatoavana tamin’izay fahoriana noentiny Izy, na dia Zanaka aza.
5.9 Ary rehefa nahatanteraka izany Izy dia tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra mankatò Azy
Hébreux 4.14 – 16 ; 5.7 – 9 (PDV)
4.14 Koa satria manana Mpisoronabe lehibe izay lasa namakivaky ny lanitra isika, dia Jesosy, Zanak’Andriamanitra, aoka hihazona ilay efa nekentsika isika.
4.15 Fa tsy manana Mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika isika; fa ny antsika dia izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.
4.16 Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahatokiana mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ny fotoana ilàna izany.
5.7 Tamin’ny andron’ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana niaraka tamin’ny fitarainana mafy sy ranomaso be tamin’izay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy, ary nohenoina noho ny fahatahorany an’Andriamanitra,
5.8 dia nianatra fankatoavana tamin’izay fahoriana noentiny Izy, na dia Zanaka aza.
5.9 Ary rehefa nahatanteraka izany Izy dia tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra mankatò Azy
Jaona 19 : 17 – 30 (MRV)
Nohomboina teo amin’ny hazofijaliana Jesosy
17 ary Izy nitondra ny hazofijaliany, dia nankany amin’ny toerana atao hoe Ikarandoha, izay atao amin’ny teny hebreo hoe Golgota.
18 Teo no nanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana, ary nisy roa lahy koa niaraka Taminy, iray avy teo an-daniny roa, fa Jesosy no teo afovoany.
19 Ary nanoratra anarana i Pilato ka napetany teo amin’ny hazofijaliana. Izao no voasoratra: jesosy avy any nazareta, mpanjakan’ny jiosy.
20 Ary izany anarana izany dia novakin’ny Jiosy* maro, fa akaikin’ny tanàna ny toerana izay nanomboana an’i Jesosy tamin’ny hazofijaliana; voasoratra tamin’ny teny hebreo sy romana ary grika izany soratra izany.
21 Noho izany ireo lehiben’ny mpisorona tamin’ny Jiosy dia niteny tamin’i Pilato hoe: Aza soratana hoe: Mpanjakan’ny Jiosy; fa izao: Izy no nilaza hoe: Mpanjakan’ny Jiosy Aho.
22 Fa hoy i Pilato hoe: Izay voasoratro dia voasoratro.
23 Rehefa voahombon’ny miaramila tamin’ny hazofijaliana Jesosy dia nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, samy nanana ny anjarany avy ny miaramila; nalainy koa ny akanjony; tsy nisy vitrana izany akanjony izany fa tenona iray ihany.
24 Dia niresaka izy ireo hoe: Aza triarintsika ity fa aoka hanaovantsika antsapaka ny amin’izay hahazo azy; mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe : «Nozarainy ny fitafiako ary nanaovany antsapaka ny akanjoko» (Sal 22.18). Izany zavatra izany no nataon’ny miaramila.
25 Ary nijanona teo akaikin’ny hazofijalian’i Jesosy ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, i Maria, vadin’i Klopa, sy i Maria Magdalena.
26 Nony hitan’i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany fa nijanona teo dia hoy Izy tamin’ny reniny: Ravehivavy, indro ny zanakao!
27 Ary hoy koa Izy tamin’ilay mpianatra: Indro ny reninao! Hatramin’izay ora izay dia noraisin’ilay mpianatra ho any aminy i Maria.
Ny nahafatesan’i Jesosy
28 Taorianan’izany dia fantatr’i Jesosy fa efa vita ny zavatra rehetra mba hahatanteraka ny Soratra Masina ka hoy Izy: Mangetaheta Aho.
29 Ary nisy bakoly feno vinaingitra nipetraka teo; ary nisy sipaonjy feno vinaingitra naraikiny tamin’ny hisopa ka nataon’ny miaramila tamin’ny vavan’i Jesosy.
30 Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy dia niteny hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny.
Jean 19 : 17 – 30 (PDV)
Les soldats clouent Jésus sur une croix
17 Il sort de la ville, en portant lui-même sa croix. Il va vers un endroit appelé « Le lieu du Crâne », qu’on appelle en hébreu « Golgotha ».
18 Là, les soldats clouent Jésus sur la croix. Ils clouent aussi deux autres hommes sur des croix, l’un à la droite de Jésus, l’autre à sa gauche.
19 Pilate a donné l’ordre de faire une pancarte et de la fixer sur la croix. Il a fait écrire dessus : « Jésus de Nazareth, le roi des Juifs ».
20 Beaucoup de Juifs lisent cette pancarte. En effet, l’endroit où on a mis Jésus sur la croix est près de la ville, et la pancarte est écrite en hébreu, en latin et en grec.
21 Les chefs des prêtres disent à Pilate : « Ne laisse pas ce qui est écrit : “Le roi des Juifs”. Mais fais écrire : “Cet homme a dit : Je suis le roi des Juifs.” »
22 Pilate leur répond : « Ce que j’ai écrit, je le laisse écrit. »
23 Quand les soldats ont cloué Jésus sur la croix, ils prennent ses habits. Ils en font quatre parts, une pour chaque soldat. Ils prennent aussi son grand vêtement. C’est un vêtement sans couture, il est tissé d’un seul morceau, de haut en bas.
24 Les soldats se disent entre eux : « Ne le déchirons pas. Mais tirons au sort pour savoir qui aura ce vêtement. » Ainsi, ce qui est écrit dans les Livres Saints se réalise : « Entre eux, ils ont partagé mes habits.
Et ils ont tiré au sort pour savoir qui aura mon vêtement. » Voilà ce que les soldats ont fait.
25 Près de la croix de Jésus, il y avait sa mère, la sœur de sa mère, Marie la femme de Clopas et Marie de Magdala.
26 Jésus voit sa mère. Il voit, auprès d’elle, le disciple qu’il aime. Jésus dit : « Mère, voici ton fils. »
27 Ensuite il dit au disciple : « Voici ta mère. » Alors, à partir de ce moment, le disciple prend Marie chez lui.
La mort de Jésus
28 Après cela, Jésus sait que tout est fini. Tout ce qu’on lit dans les Livres Saints doit arriver. C’est pourquoi Jésus dit : « J’ai soif. »
29 Il y a là un récipient plein de vinaigre. Les soldats trempent une éponge dans le vinaigre, ils mettent l’éponge au bout d’une branche d’hysope et ils l’approchent de la bouche de Jésus.
30 Jésus prend le vinaigre. Ensuite il dit : « Tout est fini. » Il baisse la tête et il meurt.
