Péricope du Dimanche 18 Janvier 2026

Table des matières

Ancien Testament

Isaia  49 : 3 – 6 (MRV)

3 Hoy Izy tamiko: Mpanompoko Ianao, ry Israely ô, izay entiko mampiseho ny voninahitro.
4 Fa hoy kosa Aho: Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko; kanefa ao amin’NY TOMPO ny rariny tokony ho Ahy, ary ny valin’ny asako dia ao amin’Andriamanitro.
5 Ary ankehitriny dia hoy NY TOMPO izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, hampodiana ny Jakoba ho ao Aminy indray sy hamoriana ny Israely ho ao Aminy; fa mahazo voninahitra eo imason’NY TOMPO Aho, ary Andriamanitro no heriko.
6 Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen’i Jakoba Ianao ary hampody ny Israely sisa voaaro; fa hataoko ho fanazavana ny Jentilisa koa Ianao mba hitondra ny famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.

3 Il m’a dit : « Israël, tu es mon serviteur. Par toi, je montrerai ma gloire. »
4 Moi, je me suis dit : « Je me suis donné du mal pour rien, je me suis fatigué inutilement, sans résultat. » Pourtant, le Seigneur me fera justice, il garde en réserve ma récompense.
5 Et maintenant, le Seigneur a parlé. Il m’a formé dès avant ma naissance pour que je sois son serviteur. Il veut que je ramène vers lui les enfants de Jacob, que je rassemble le peuple d’Israël. Le Seigneur tient à moi, et ma force, c’est mon Dieu.
6 Il m’a dit : « Tu es à mon service pour relever les tribus d’Israël et pour ramener ceux qui sont restés en vie dans le peuple de Jacob. Mais ce n’est pas tout. Je vais faire de toi la lumière des autres peuples pour que mon salut arrive jusqu’au bout du monde. »

.

Epître

1 Korintiana 1 : 1 – 3 (MRV)

1 I Paoly, voaantso ho apostolin’i Jesosy Kristy noho ny sitrapon’Andriamanitra, sy i Sostena rahalahy,
2 no mamangy ny fiangonan’Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin’i Kristy Jesosy, olona voaantso sady masina, mbamin’izay rehetra miantso ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika eny amin’ny tany rehetra, dia izay sady Tompon’ireny no Tompontsika koa:
3 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

1 Corinthiens 1 : 1 – 3 (PDV)

1 Moi, Paul, j’ai été appelé à être apôtre du Christ Jésus parce que Dieu l’a voulu. Avec Sostène notre frère,
2 j’écris à l’Église de Dieu qui est à Corinthe, à ceux qui appartiennent à Dieu par le Christ Jésus. Dieu les appelle à vivre pour lui, avec tous ceux qui, partout, font appel au nom de notre Seigneur Jésus-Christ, leur Seigneur et le nôtre.
3 Que Dieu notre Père et le Seigneur Jésus-Christ vous bénissent et vous donnent la paix !

Evangile

Jaona 1 : 29 – 34 (MRV)

29 Nony ampitso dia nahita an’i Jesosy avy manatona azy i Jaona ka hoy izy: Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!
30 Izy ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy tonga avy ao aorianako izay efa tonga eo alohako satria talohako Izy. 31 Ary tsy nahalala Azy aho; fa mba hanehoana Azy amin’ny Israely dia izany no niaviako manao batisa amin’ny rano.
32 Ary i Jaona no vavolombelona nanambara hoe: Izaho dia nahita ny Fanahy nidina avy tany an-danitra tahaka ny voromailala ka nitoetra teo amboniny.
33 Ary tsy nahalala Azy aho; fa izay naniraka ahy hanao batisa amin’ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan’ny Fanahy sy itoerany dia Izy no Mpanao batisa amin’ny Fanahy Masina.
34 Ary nahita aho ka mijoro ho vavolombelona fa Izy no Zanak’Andriamanitra.

29 Le jour suivant, Jean voit Jésus qui vient vers lui. Et il dit : « Voici l’agneau de Dieu qui enlève le péché du monde.
30 C’est de lui que j’ai parlé quand j’ai dit : “L’homme qui vient après moi est plus important que moi, parce qu’il existait avant moi.”
31 Moi, je ne le connaissais pas. Mais je suis venu baptiser dans l’eau pour le faire connaître au peuple d’Israël. »
32 Et voici le témoignage de Jean : « J’ai vu l’Esprit Saint descendre du ciel comme une colombe et il est resté sur Jésus.
33 Moi, je ne le connaissais pas. Mais Dieu, qui m’a envoyé baptiser dans l’eau, c’est lui qui m’a dit : “Tu verras l’Esprit Saint descendre et rester sur un homme. Et c’est lui qui baptise dans l’Esprit Saint.”
34 Moi, j’ai vu et j’en suis témoin : cet homme-là, c’est le Fils de Dieu. »

Retour en haut