
Ancien Testament
2.7 Ary vovo-tany no namolavolan’NY TOMPO Andriamanitra ny olona, dia nitsofany ny fofonaina mahavelona tamin’ny vavorony ka tonga manana aina ilay olona.
2.8 Ary NY TOMPO Andriamanitra namboly saha tao Edena tany atsinanana ka napetrany tao Ralehilahy izay novolavolainy.
2.9 Ary nampanirin’NY TOMPO Andriamanitra teo amin’ny tany ny hazo rehetra izay mahafinaritra ny maso sady maha te hihinana, ny hazon’aina teo afovoan’ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
3.1 Ny menarana dia fetsy noho ny bibidia rehetra izay nataon’NY TOMPO Andriamanitra. Hoy izy tamin-dRavehivavy: Hay va niteny Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha !
3.2 Hoy Ravehivavy tamin’ilay menarana: Ny voan’ny hazo eo amin’ny saha dia azonay ihinanana ihany.
3.3 Fa ny amin’ny voan’ny hazo eo afovoan’ny saha kosa dia hoy Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo na tendrenareo izany, fandrao ho faty ianareo.
3.4 Hoy ny menarana tamin-dRavehivavy: Tsy ho faty tsy akory ianareo !
3.5 Fa fantatr’Andriamanitra hoe amin’izay andro ihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo ka ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.
3.6 Ary hitan-dRavehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso, no hazo mahatsiriritra toa hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; dia nomeny koa ny vadiny izay teo anilany ka nihinana.
3.7 Dia nahiratra ny mason’izy mivady ka fantany fa mitanjaka izy ireo. Ary nanjaitra ravin’aviavimbazaha izy mba hanaovany sikina.
2.7 Le Seigneur Dieu prend de la poussière du sol et il forme un être humain. Puis il souffle dans son nez le souffle de vie, et cet homme devient un être vivant.
2.8 Ensuite, le Seigneur Dieu plante un jardin dans le pays d’Éden, vers l’est. Là, il met l’homme qu’il a formé. 2.9 Le Seigneur Dieu fait pousser du sol toutes sortes de beaux arbres, avec des fruits délicieux. Au milieu du jardin, il place l’arbre de vie et l’arbre qui fait connaître ce qui est bien ou mal.
3.1 Parmi les bêtes sauvages que le Seigneur Dieu a faites, le serpent est le plus rusé. Il demande à la femme : « Est-ce que Dieu vous a vraiment dit : “Ne mangez aucun fruit du jardin” ? »
3.2 La femme répond au serpent : « Nous pouvons manger les fruits du jardin.
3.3 Mais pour l’arbre qui est au milieu du jardin, Dieu a dit : “Ne mangez pas ses fruits et n’y touchez pas ! Sinon, vous mourrez.” »
3.4 Le serpent répond à la femme : « Pas du tout ! Vous ne mourrez pas !
3.5 Mais Dieu le sait bien : le jour où vous en mangerez, vos yeux s’ouvriront. Vous serez comme des dieux, vous pourrez savoir ce qui est bien ou mal. »
3.6 La femme se dit : les fruits de cet arbre sont beaux, ils doivent être bons. Ils donnent envie d’en manger pour savoir plus de choses. Elle prend un fruit de cet arbre et le mange. Elle en donne à son mari qui est avec elle, et il en mange aussi.
3.7 Alors leurs yeux s’ouvrent. Maintenant, ils voient qu’ils sont nus. Ils attachent ensemble des feuilles d’arbre, et cela leur sert de pagne.
.
Epître
12 Noho izany dia tahaka ny nidiran’ny ota tamin’ny alalan’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana ka nahatonga ny olona rehetra ho tratry ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra;
13 fa talohan’ny lalàna aza dia nisy ota teto amin’izao tontolo izao, nefa tsy isaina ny ota raha tsy misy lalàna;
14 Nanjaka hatramin’i Adama ka hatramin’i Mosesy anefa ny fahafatesana; eny, fa na dia tamin’izay tsy nanota tahaka ny nanotan’i Adama aza, izay tandindon’Ilay ho avy.
15 Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezana ny fahasoavana. Satria raha ny fahadisoan’ny iray no nahatonga fahafatesana ho an’ny maro, manoatra noho izany kosa ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanomezany be dia be, maimaimpoana, ho an’ny maro amin’ny alalan’ny Olona iray, dia Jesosy Kristy.
16 Tsy tahaka ny avy amin’ny iray izay nanota ny fanomezana; fa noho ny nataon’ny iray no nisehoan’ny fitsarana ho fanamelohana, nefa noho ny fahadisoana maro kosa no nisehoan’ny fanomezana ny fahasoavana ho fanamarinana.
17 Fa raha ny fahadisoan’ny olona iray no nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’ny iray, mainka izay mahazo ny haben’ny fahasoavana sy ny fanomezan’ny fahamarinana no hanjaka amin’ny fiainana noho ny nataon’ny Iray, dia Jesosy Kristy.
18 Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ny fanamarinana ho amin’ny fiainana kosa ho an’ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray.
19 Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsy fankatoavan’ny olona iray no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fankatoavan’ny Iray.
12 Le péché est entré dans le monde à cause d’un seul homme, Adam, et le péché a amené la mort. Alors la mort a touché tous les êtres humains parce que tous ont péché.
13 Avant que Dieu donne la loi à Moïse, le péché était dans le monde, mais quand il n’y a pas de loi, on ne tient pas compte du péché.
14 Pourtant, depuis le temps d’Adam jusqu’à Moïse, la mort a été très puissante. Elle a frappé même ceux qui n’ont pas péché comme Adam, qui a désobéi à l’ordre de Dieu. Adam représentait celui qui allait venir.
15 Mais il y a une grande différence entre le don gratuit de Dieu et la faute d’Adam. Oui, à cause de la faute d’un seul homme, Adam, un grand nombre de gens sont morts. Mais le don gratuit de Dieu est beaucoup plus important. Ce don, Dieu l’a accordé par un seul homme, Jésus-Christ, et ainsi, il a répandu généreusement ses bienfaits sur un grand nombre de gens.
16 Le don de Dieu produit un autre résultat que le péché d’un seul homme. En effet, après le péché d’un seul, Adam, le jugement de Dieu a eu pour résultat de condamner les êtres humains. Au contraire, le don gratuit de Dieu a eu pour résultat de les rendre justes malgré leurs nombreuses fautes.
17 Oui, par un seul homme, par la faute d’un seul, la mort a frappé tout le monde. Mais par le seul Jésus-Christ, les êtres humains reçoivent beaucoup plus de Dieu : il leur donne gratuitement ses bienfaits et il les rend justes. Par le Christ, ils vivront et ils seront rois avec lui.
18 Finalement, la faute d’un seul a eu pour résultat de condamner tous les êtres humains. De même, l’action juste d’un seul a pour résultat de rendre justes tous les êtres humains, et par là, ils ont la vie.
19 Autrefois, un seul homme a refusé d’obéir à Dieu, et un grand nombre de gens sont devenus pécheurs. De même, un seul homme a obéi, et un grand nombre de gens seront rendus justes.
Evangile
1 Ary Jesosy dia noentin’ny Fanahy nankany an-tany efitra mba halain’ny devoly fanahy.
2 Nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina Izy, koa nony afaka izany dia noana.
3 Dia nanatona ny mpaka fanahy ka niteny Taminy hoe: Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, teneno ho tonga mofo ireto vato ireto.
4 Fa Izy kosa namaly hoe: Voasoratra hoe: «Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra» (Deo 8.3).
5 Dia nitondra Azy nankany amin’ny tanàna masina indray ny devoly ka nampitoetra Azy teo an-tampon’ny tempoly
6 sady niteny Taminy hoe: Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: «Izy handidy ny anjeliny ny Aminao; ary eny an-tanany no hitondran’ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao» (Sal 91.11, 12).
7 Hoy Jesosy taminy: Voasoratra koa hoe: «Aza maka fanahy NY TOMPO Andriamanitrao.»
8 Ary nitondra Azy nankany an-tendrombohitra avo dia avo indray ny devoly ka naneho Azy ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny
9 sady niteny Taminy hoe: Homeko Anao izao rehetra izao raha miankohoka eto anatrehako Ianao.
10 Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: Fa voasoratra hoe: «NY TOMPO Andriamanitrao no hiankohofanao ary Izy irery ihany no hotompoinao.» (Deo 6.13)
11 Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy.
1 Alors l’Esprit de Dieu conduit Jésus dans le désert, pour que l’esprit du mal le tente.
2 Pendant 40 jours et 40 nuits, Jésus ne mange rien. Ensuite il a faim.
3 L’esprit du mal s’approche de Jésus pour le tenter et il lui dit : « Si tu es le Fils de Dieu, dis à ces pierres : “Changez-vous en pains !” »
4 Jésus lui répond : « Dans les Livres Saints on lit : “Le pain ne suffit pas à faire vivre l’homme. Celui-ci a besoin aussi de toutes les paroles qui sortent de la bouche de Dieu.” »
5 Alors l’esprit du mal emmène Jésus à Jérusalem, la ville sainte. Il le place au sommet du temple,
6 et il lui dit : « Si tu es le Fils de Dieu, jette-toi en bas ! En effet, dans les Livres Saints on lit : “Dieu commandera à ses anges de te porter dans leurs bras pour que tes pieds ne heurtent pas les pierres.” »
7 Jésus lui répond : « Dans les Livres Saints on lit aussi : “Tu ne dois pas provoquer le Seigneur ton Dieu.” »
8 L’esprit du mal emmène encore Jésus sur une très haute montagne. Il lui montre tous les royaumes du monde, avec leur richesse,
9 et il lui dit : « Mets-toi à genoux devant moi pour m’adorer, et je vais te donner tout cela. »
10 Jésus lui dit : « Va-t’en, Satan ! En effet, dans les Livres Saints on lit : “C’est le Seigneur ton Dieu que tu dois adorer, et c’est lui seul que tu dois servir.” »
11 Alors l’esprit du mal laisse Jésus. Des anges s’approchent de Jésus, et ils lui donnent à manger.
