Péricope du Mardi 31 Mars 2026 (Mardi saint)

Salamo 71 (MRV)

1 Ianao, TOMPO ô, no itokiako; aoka tsy ho menatra mandrakizay aho !
2 Vonjeo amin’ny fahamarinanao aho ka afaho ! Atongilano amiko ny sofinao ka vonjeo aho !
3 Aoka ho vatolampy fonenana hohatoniko mandrakariva Ianao izay efa nandidy hamonjy ahy; fa harambatoko sy manda fiarovana ho ahy Ianao !
4 Ry Andriamanitro ô, afaho amin’ny tanan’ny ratsy fanahy aho, dia amin’ny tanan’ny mpanao meloka sy mpanao herisetra !
5 Fa Ianao no fanantenako, RY TOMPO Andriamanitra ô, ry tokiko hatry ny fony aho mbola tanora.
6 Ianao no nanankinana ahy hatrany am-bohoka; Ianao no namoaka ahy avy tany an-kibon’ny reniko; Ianao no deraiko mandrakariva.
7 Tonga toy ny zava-mahagaga eo imason’ny maro aho; nefa Ianao no fialofana azo antoka ho ahy.
8 Ny vavako dia ho feno ny fiderana Anao sy ny fankalazana Anao mandrakariva.
9 Aza manary ahy amin’ny andron’ny fahanterako; aza mahafoy ahy raha mihaketraka ny heriko.
10 Fa miresaka ahy ny fahavaloko ary miara-mioko izay miambina hahazo ny aiko
11 ka miteny hoe: Andriamanitra efa nahafoy azy ! Enjeho izy ka sambory fa tsy misy hanafaka azy.
12 Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy; Ry Andriamanitro ô, faingàna hamonjy ahy.
13 Aoka ho menatra sy ho levona ny mpanohitra ny fanahiko; aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka izay mitady hanisy ratsy ahy.
14 Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva ary hitombo lalandava ny fideràko Anao.
15 Ny vavako dia hitory ny fahamarinanao sy ny famonjenao mandrakariva, fa tsy fantatro intsony ny isany.
16 Ho avy amin’ny asa lehibe nataon’NY TOMPO Andriamanitra aho, hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao ihany.
17 Andriamanitra ô, Ianao no nampianatra ahy hatry ny fony aho mbola tanora, ary mandraka ankehitriny dia nitory ny fahagagana nataonao aho.
18 Koa na dia efa antitra sy fotsy volo aza aho dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mba hahazoako manambara ny herinao amin’izao taranaka izao sy ny asanao lehibe amin’izay rehetra mbola ho avy;
19 mihatra amin’izay avo indrindra ny fahamarinanao, Andriamanitra ô, izay nanao zava-dehibe : Andriamanitra ô, iza no tahaka Anao ?
20 Ianao izay nampahita anay fahoriana be sady mafy no hamelona anay indray ka hampiakatra anay indray hiala avy amin’ny toerana lalina amin’ny tany.
21 Ampitomboy ny voninahitro ary aoka hampionona ahy indray Ianao !
22 Izaho kosa dia hidera Anao amin’ny valiha, dia ny fahamarinanao, ry Andriamanitro ô, hankalaza Anao amin’ny lokanga aho, ry Iray Masin’ny Israely ô !
23 Hihoby ny molotro raha mankalaza Anao ary ny fanahiko koa, izay navotanao.
24 Ny lelako koa dia hitory ny fahamarinanao mandrakariva, fa menatra sy mangaihay izay mitady hanisy ratsy ahy.

Psaume 71 (PDV)

1 Seigneur, tu es mon abri, ne me laisse jamais couvert de honte.
2 Tu es fidèle, délivre-moi, libère-moi ! Tends l’oreille vers moi et sauve-moi !
3 Sois pour moi le solide rocher qui m’accueille, l’endroit où je peux venir à tout moment : tu as décidé de me sauver. Oui, mon rocher, c’est toi, tu me protèges avec puissance.
4 Mon Dieu, délivre-moi des mains de l’homme mauvais ! Ne permets pas que les gens faux et violents m’écrasent !
5 Depuis ma jeunesse, Seigneur Dieu, je compte sur toi, j’ai confiance en toi.
6 Je m’appuie sur toi depuis ma naissance, puisque c’est toi qui m’as fait sortir du ventre de ma mère. J’ai toujours une raison de chanter ta louange.
7 Pour beaucoup, j’étais un être étrange, mais tu es pour moi un abri sûr.
8 Ma bouche est pleine de tes louanges. Tous les jours, je chante ta beauté.
9 Ne me rejette pas maintenant que je suis vieux, ne m’abandonne pas quand mes forces s’en vont.
10 Mes ennemis parlent de moi, ceux qui me surveillent se mettent d’accord.
11 Ils disent : « Dieu l’a abandonné, courez après lui, attrapez-le, personne ne le sauvera ! »
12 Ô Dieu, ne t’éloigne pas de moi ! Mon Dieu, viens vite à mon aide !
13 Ceux qui m’accusent, qu’ils tombent et soient couverts de honte ! Ceux qui cherchent mon malheur, que l’insulte et la honte les recouvrent !
14 Moi, je compte toujours sur toi et je continue à chanter ta louange.
15 Tu es un Dieu fidèle et tu nous sauves. Je raconte cela tous les jours, tellement tes bienfaits sont nombreux.
16 Je parle de tes exploits, Seigneur Dieu, je rappelle que toi seul, tu es fidèle.
17 Ô Dieu, tu m’as enseigné depuis ma jeunesse. Jusqu’à présent, j’annonce tes actions magnifiques.
18 Maintenant que je suis vieux, couvert de cheveux blancs, ne m’abandonne pas, ô Dieu ! Alors je pourrai annoncer ta puissance éclatante aux jeunes d’aujourd’hui et aux enfants qui vont naître.
19 Ô Dieu, ta fidélité est aussi haute que les nuages. Ô Dieu, toi qui as fait des choses si grandes, qui est comme toi ?
20 À cause de toi, j’ai connu beaucoup de souffrances et de malheurs, mais tu viendras me rendre la vie. De nouveau, tu me feras remonter du fond de la tombe.
21 Tu me rendras mon honneur et de nouveau, tu me consoleras.
22 Et moi, je te dirai merci avec la harpe, mon Dieu, je chanterai ta fidélité. Je jouerai pour toi de la cithare, toi, le Dieu saint d’Israël.
23 Oui, ma bouche criera de joie quand je jouerai pour toi, car tu m’as sauvé la vie.
24 Jour après jour, je redirai que tu es fidèle. En effet, ceux qui cherchaient mon malheur, les voilà couverts de honte et d’insultes.

.

Isaia 49 : 1 – 6 (MRV)

Ny Mpanompon’NY TOMPO, fahazavan’ny firenena
1 Mihainoa Ahy, ry nosy ! Atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra ! NY TOMPO efa niantso Ahy hatrany am-bohoka, hatry ny fony Aho mbola tao an-kibon’Ineny no efa notsarovany ny anarako.
2 Nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako; tao amin’ny aloky ny tanany no nanafenany Ahy. Nataony zana-tsipìka voaranitra tsara Aho; teo amin’ny tranon-jana-tsipìkany no nanafenany Ahy.
3 Hoy Izy tamiko: Mpanompoko Ianao, ry Israely ô, izay entiko mampiseho ny voninahitro.
4 Fa hoy kosa Aho: Foana ny nisasarako, zava-poana sy tsinontsinona no nandaniako ny heriko; kanefa ao amin’NY TOMPO ny rariny tokony ho Ahy, ary ny valin’ny asako dia ao amin’Andriamanitro.
5 Ary ankehitriny dia hoy NY TOMPO izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, hampodiana ny Jakoba ho ao Aminy indray sy hamoriana ny Israely ho ao Aminy; fa mahazo voninahitra eo imason’NY TOMPO Aho, ary Andriamanitro no heriko.
6 Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen’i Jakoba Ianao ary hampody ny Israely sisa voaaro; fa hataoko ho fanazavana ny Jentilisa koa Ianao mba hitondra ny famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.

Esaïe 49 : 1 – 6 (PDV)

Le serviteur du Seigneur. Israël, lumière des autres peuples
1 Écoutez-moi, peuples éloignés ! Soyez attentifs, vous qui habitez au loin ! Le Seigneur m’a appelé dès avant ma naissance. J’étais encore dans le ventre de ma mère quand il a dit mon nom.
2 Il a fait de ma parole une épée coupante. Il m’a caché à l’ombre de sa main. Il a fait de moi une flèche bien aiguisée, il m’a abrité dans son sac de flèches.
3 Il m’a dit : « Israël, tu es mon serviteur. Par toi, je montrerai ma gloire. »
4 Moi, je me suis dit : « Je me suis donné du mal pour rien, je me suis fatigué inutilement, sans résultat. » Pourtant, le Seigneur me fera justice, il garde en réserve ma récompense.
5 Et maintenant, le Seigneur a parlé. Il m’a formé dès avant ma naissance pour que je sois son serviteur. Il veut que je ramène vers lui les enfants de Jacob, que je rassemble le peuple d’Israël. Le Seigneur tient à moi, et ma force, c’est mon Dieu.
6 Il m’a dit : « Tu es à mon service pour relever les tribus d’Israël et pour ramener ceux qui sont restés en vie dans le peuple de Jacob. Mais ce n’est pas tout. Je vais faire de toi la lumière des autres peuples pour que mon salut arrive jusqu’au bout du monde. »

.

Retour en haut