Salamo 30 (MRV)
1 Hanandratra Anao aho, TOMPO ô, fa nanintona ahy niakatra Ianao; tsy navelanao hifalian’ny fahavaloko aho.
2 TOMPO Andriamanitro ô ! nitaraina taminao aho dia nanasitrana ahy Ianao.
3 TOMPO ô, efa nampiakatra ahy avy tany amin’ny fitoeran’ny maty Ianao; nampody ny aiko Ianao mba tsy ho isan’izay midina any an-davaka aho.
4 Mankalazà NY TOMPO, ry olony masina, miderà Azy ka ankalazao ny fahatsiarovana ny fahamasinany.
5 Fa indray mipy maso ihany ny fahatezerany nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin’ny hariva dia misy fitomaniana fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.
6 Hoy aho raha mbola niadana : Tsy hangozohozo mandrakizay aho !
7 TOMPO ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro. Nanafina ny tavanao Ianao dia very hevitra aho.
8 Ianao no nantsoiko, TOMPO ô ! Nifona tamin’NY TOMPO aho hoe :
9 Inona no soa azo amin’ny rako sy ny hidinako any an-davaka ? Hidera Anao va ny vovoka ? Hanambara ny fahamarinanao va izany ?
10 Mihainoa, TOMPO ô, ka mamindrà fo amiko ! TOMPO ô, aoka ho Mpamonjy ahy Ianao !
11 Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Ianao, efa nanaisotra ny akanjo fisaonako Ianao ka nampisikina ahy fifaliana,
12 mba hankalazako ny voninahitrao ka tsy hangina aho. TOMPO Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakariva aho.
Psaume 30 (PDV)
1 Psaume de David, pour la consécration du temple.
2 Seigneur, vraiment tu es grand et je te chante. Oui, tu m’as remis debout, tu n’as pas laissé mes ennemis se moquer de moi.
3 Seigneur mon Dieu, j’ai crié vers toi, et tu m’as guéri.
4 Seigneur, tu m’as fait remonter du monde des morts. Je descendais dans la tombe, mais tu m’as rendu la vie.
5 Chantez pour le Seigneur, vous, ses amis fidèles ! Son nom est saint, dites-lui merci.
6 Oui, sa colère dure peu de temps, mais sa bonté dure toute la vie. Le soir, il y a encore des pleurs, mais le matin, c’est un cri de joie.
7 Quand j’étais tranquille, je disais : « Je ne tomberai jamais ! »
8 Seigneur, tu étais bon, grâce à toi, je me sentais en sécurité. Mais tu as caché ton visage et j’ai eu très peur.
9 Seigneur, je fais appel à toi, je crie vers toi qui es mon Maître.
10 Quel intérêt pour toi si je meurs, si je descends dans la tombe ? Est-ce que les morts peuvent te dire merci ? Est-ce qu’ils peuvent raconter ta fidélité ?
11 Écoute-moi, Seigneur, aie pitié de moi ! Seigneur, viens à mon aide !
12 Tu as changé mon chant de tristesse en une danse joyeuse, tu as remplacé mon vêtement de deuil par un habit de fête.
13 Alors je chanterai pour toi et je ne me tairai pas, Seigneur mon Dieu, je te dirai toujours merci.
Isaia 54 : 5 – 14 (MRV)
5 Fa ny Mpanao anao no Vadinao, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no anarany. Ny Iray Masin’ny Israely no Mpanavotra anao. Andriamanitry ny tany rehetra no anarany.
6 Fa NY TOMPO efa nampody anao, dia ianao izay tahaka ny vady efa nafoy ka ory am-panahy. Vadin’ny fahatanorana va dia azo apetraka ? hoy Andriamanitrao.
7 Indray mipy maso monja no nahafoizako anao, fa amin’ny indrafo lehibe kosa no ampodiako anao;
8 tamin’ny firehetan’ny fahatezerako no nanafenako ny tavako taminao indray mipy maso monja, fa amin’ny famindrampo mandrakizay kosa no amindrako fo aminao, hoy NY TOMPO, Mpanavotra anao.
9 Fa Amiko izany dia tahaka ilay ranon’i Noa, koa tahaka ny nianianako fa tsy hanafotra ny tany intsony ilay ranon’i Noa dia toy izany no ianianako fa tsy ho tezitra aminao na hiteny mafy anao intsony Aho.
10 Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindrampoko, ary tsy hitsoaka ny faneken’ny fihavanako, hoy NY TOMPO, Mpamindra fo aminao.
11 Ianao ry ory izay asafotofoton’ny tafio-drivotra sady tsy manana fampiononana ! Indro Aho hahatonga ny vatonao hiloko fotsy manopy manga sy hametraka ny fanorenanao amin’ny safira,
12 hataoko robisy ny tilikambo fiambenanao, vato berila ny vavahadinao, ary vatosoa ny faritry ny taninao manodidina.
13 Ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’NY TOMPO ka ho be ny fiadanan’ny zanakao.
14 Amin’ny fahamarinana no hampiorenana anao; manalavira ny fampahoriana,fa tsy hatahotra ianao, ary ny fampihorohoroana tsy hanakaiky anao intsony.
Esaïe 54 : 5 – 14 (PDV)
5 Voici pourquoi : Tu vas avoir pour mari celui qui t’a créée, celui qui a pour nom “le Seigneur de l’univers”. Celui qui te libère, c’est le Dieu saint d’Israël, celui qu’on appelle “le Dieu de toute la terre”.
6 Comme une femme abandonnée, tu étais complètement découragée. Mais le Seigneur t’a rappelée. Oui, ton Dieu dit : Est-ce que quelqu’un peut vraiment rejeter la femme qu’il a choisie quand il était jeune ?
7 Je t’ai abandonnée très peu de temps. Mais, avec une grande tendresse, je veux te reprendre.
8 J’étais très en colère contre toi, et j’ai refusé de te voir pendant un court moment. Mais avec un amour sans fin, je te montre ma tendresse. C’est moi, le Seigneur, qui te dis cela, moi qui te libère.
9 « Je vais agir comme au temps de Noé. J’avais promis qu’il n’y aurait plus de grande inondation sur la terre. De même, je promets aujourd’hui de ne plus me mettre en colère contre toi, de ne plus te menacer.
10 Les montagnes peuvent bouger, les collines peuvent changer de place, mais l’amour que j’ai pour toi ne changera jamais, l’alliance que j’ai établie avec toi pour te rendre heureuse ne bougera jamais. C’est moi le Seigneur qui te dis cela, dans ma tendresse. »
11 « Malheureuse Jérusalem, tu es battue par la tempête, et personne ne te redonne de l’espoir. Moi, le Seigneur, je vais te rebâtir avec des pierres colorées. Tes fondations seront en pierres précieuses bleues.
12 Le haut de tes murs sera en pierres précieuses rouges, tes portes seront en pierres aussi transparentes que du verre. Tous tes murs de défense seront en pierres précieuses.
13 J’enseignerai tous tes enfants, et ils vivront dans le bonheur.
14 Tu t’appuieras sur la justice. Personne ne t’écrasera plus, tu n’auras plus peur. Personne ne t’effraiera plus, tu ne seras plus menacée.
.
