Péricope du Dimanche 31 Mai 2026 – Trinité

Table des matières

Genèse

Genesisy 1.1 – 2.4a (MRV)

Nahary izao rehetra izao sy ny olombelona Andriamanitra
1.1 Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.
1.2 Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary haizina no teo ambonin’ny lalina. Ary ny Fanahin’Andriamanitra nanomba teo ambonin’ny rano.
1.3 Ary Andriamanitra niteny hoe: Misia mazava! Dia nisy mazava.
1.4 Ary hitan’Andriamanitra fa tsara ny mazava ka nosarahin’Andriamanitra ny mazava sy ny maizina.
1.5 Ary nataon’Andriamanitra hoe andro ny mazava; ary ny maizina dia nataony hoe alina. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro voalohany.
1.6 Ary Andriamanitra niteny hoe: Misia habakabaka eo anelanelan’ny rano, ary aoka izany no hampisaraka ny rano amin’ny rano !
1.7 Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka ka nanasaraka ny rano ambanin’ny habakabaka tamin’ny rano ambonin’ny habakabaka. Dia nisy izany.
1.8 Ary nataon’Andriamanitra hoe lanitra ny habakabaka. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro faharoa.
1.9 Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka hiangona ho eo amin’ny toerana iray ny rano izay eny ambanin’ny lanitra, ary aoka hiseho ny maina! Dia nisy izany.
1.10 Ary nataon’Andriamanitra hoe tany ny maina; ary nataony hoe ranomasina ny rano tafangona. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
1.11 Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka ny tany haniry ahitra sy anana mamoa ary hazo fihinam-boa eny ambonin’ny tany, izay mamoa, samy araka ny karazany avy, ka ao anatiny ny voany ! Dia nisy izany.
1.12 Ary ny tany dia naniry ahitra sy anana mamoa, samy araka ny karazany avy ary hazo mamoa ka ao anatiny ny voany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
1.13 Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahatelo.
1.14 Ary Andriamanitra niteny hoe: Misia fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra hampisaraka ny andro sy ny alina. Aoka ho famantarana ny andro firavoravoana samihafa, ny andro ary ny fizaran-taona ireo,
1.15 dia aoka ho fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra izy hanazava eny ambonin’ny tany! Dia nisy izany.
1.16 Ary Andriamanitra nanao ny fanazavana roa lehibe, dia ny fanazavana lehibe ho mpanapaka ny andro, ny fanazavana kely ho mpanapaka ny alina ary ny kintana.
1.17 Ary Andriamanitra nametraka azy ireo eny amin’ny habakabaky ny lanitra mba hanazava eny ambonin’ny tany
1.18 sy ho mpanapaka ny andro sy ny alina ary hampisaraka ny mazava sy ny maizina. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
1.19 Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahefatra.
1.20 Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka ny rano ho be zavamananaina; aoka hisy vorona hanidina eny ambonin’ny tany, eny amin’ny habakabaky ny lanitra !
1.21 Ary Andriamanitra nahary ireo biby vaventy any anaty rano sy ireo zavamananaina mihetsiketsika rehetra, dia ireo izay betsaka ao amin’ny rano, samy araka ny karazany avy, ary ny voromanidina rehetra, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
1.22 Ary Andriamanitra nitahy azy ireo ka niteny hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ka mamenoa ny rano ao amin’ny ranomasina; aoka ny vorona hihamaro eny ambonin’ny tany !
1.23 Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahadimy.
1.24 Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka ny tany hamoaka zavamananaina, samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady na mikisaka ary bibidia, samy araka ny karazany avy ! Dia nisy izany.
1.25 Ary Andriamanitra nanao ny bibidia, samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
1.26 Ary Andriamanitra niteny hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy ireo hanapaka amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, amin’ny voromanidina sy ny biby fiompy, amin’ny tany rehetra ary amin’ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany.
1.27 Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no nahariany azy; lahy sy vavy no nahariany azy.
1.28 Ary Andriamanitra nitahy azy ka niteny hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ka mamenoa ny tany, dia mampanompoa azy. Manapaha amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voromanidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.
1.29 Ary Andriamanitra niteny hoe: Indro, omeko anareo ny zava-maitso misy voany rehetra izay ambonin’ny tany manontolo sy ny voan’ny hazo fihinam-boa rehetra; ho fihinanareo ireny.
1.30 Ary ho an’ny bibidia rehetra sy ny voromanidina rehetra ary ny zavamananaina rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany dia omeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany. Dia nisy izany.
1.31 Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony ka indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahenina.
2.1 Dia vita ny lanitra sy ny tany ary izay rehetra ao aminy.
2.2 Tamin’ny andro fahafito no vitan’Andriamanitra ny asa nataony; ary nitsahatra tamin’ny asany rehetra izay nataony Izy tamin’ny andro fahafito.
2.3 Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin’izay no nitsaharan’Andriamanitra tamin’ny asany rehetra izay noforoniny tamin’ny nanaovany azy.
Ny saha tao Edena
2.4 Toy izao no tantaran’ny lanitra sy ny tany tamin’ny nahariana azy,

Genèse 1.1 – 2.4a (PDV)

Dieu crée le monde et les êtres vivants
1.1 Au commencement, Dieu crée le ciel et la terre.
1.2 La terre est comme un grand vide. Elle est dans la nuit. Une eau profonde la recouvre. Le souffle de Dieu se tient au-dessus de l’eau.
1.3 Dieu dit : « Que la lumière brille ! » Et la lumière se met à briller.
1.4 Dieu voit que la lumière est une bonne chose. Alors il sépare la lumière de l’obscurité.
1.5 Dieu appelle la lumière « jour », et l’obscurité, il l’appelle « nuit ». Il y a un soir, il y a un matin. Voilà le premier jour.
1.6 Dieu dit : « Qu’un toit, au milieu de l’eau, la sépare en deux parties ! »
1.7 Et cela arrive. Ainsi, Dieu fait le toit qui sépare l’eau d’en haut et l’eau d’en bas.
1.8 Dieu appelle le toit « ciel ». Il y a un soir, il y a un matin. Voilà le deuxième jour.
1.9 Dieu dit : « Que toute l’eau qui est sous le ciel se rassemble au même endroit, et que le sol apparaisse ! » Et cela arrive.
1.10 Dieu appelle le sol « terre », et l’eau, il l’appelle « mer ». Dieu voit que c’est une bonne chose.

1.11 Dieu dit : « Que la terre produise l’herbe verte, avec toutes sortes de plantes et toutes sortes d’arbres à fruits ! Sur la terre, chaque plante aura ses graines. Chaque arbre aura ses fruits, avec des pépins ou un noyau, selon son espèce. » Et cela arrive.
1.12 La terre produit de l’herbe verte avec toutes sortes de plantes et toutes sortes d’arbres. Chaque plante a ses graines selon son espèce. Chaque arbre a ses fruits, avec des pépins ou un noyau selon son espèce. Dieu voit que c’est une bonne chose.
1.13 Il y a un soir, il y a un matin. Voilà le troisième jour.
1.14 Dieu dit : « Que des lumières dans le ciel séparent le jour et la nuit ! Elles marqueront les fêtes, les jours et les années.
1.15 Dans le ciel, elles serviront à éclairer la terre. » Et cela arrive.
1.16 Ainsi, Dieu fait les deux grandes sources de lumière : la plus grande pour commander au jour, et la plus petite pour commander à la nuit. Il fait aussi les étoiles.
1.17 Dieu les place dans le ciel pour éclairer la terre,
1.18 pour commander au jour et à la nuit et séparer la lumière de l’obscurité. Dieu voit que c’est une bonne chose.
1.19 Il y a un soir, il y a un matin. Voilà le quatrième jour.
1.20 Dieu dit : « Que toutes sortes d’animaux vivent dans la mer ! Que les oiseaux volent dans le ciel au-dessus de la terre ! »
1.21 Dieu crée les grands animaux de la mer et toutes les espèces d’animaux qui se déplacent et s’agitent dans l’eau. Il crée aussi toutes les espèces d’oiseaux. Dieu voit que c’est une bonne chose.
1.22 Dieu les bénit en disant : « Faites des petits, devenez nombreux. Remplissez l’eau des mers. Et vous, les oiseaux, devenez nombreux sur la terre. »
1.23 Il y a un soir, il y a un matin. Voilà le cinquième jour.
1.24 Dieu dit : « Que la terre produise toutes sortes d’animaux : animaux domestiques, petites bêtes et animaux sauvages de chaque espèce ! » Et cela arrive.
1.25 Ainsi, Dieu fait les différentes espèces d’animaux : les animaux sauvages, les animaux domestiques et les petites bêtes. Dieu voit que c’est une bonne chose.
1.26 Dieu dit : « Faisons les êtres humains à notre image, et qu’ils nous ressemblent vraiment ! Qu’ils commandent aux poissons dans la mer, aux oiseaux dans le ciel, aux animaux domestiques et à toutes les petites bêtes qui se déplacent sur le sol ! »
1.27 Alors Dieu crée les humains à son image, et ils sont vraiment à l’image de Dieu. Il les crée homme et femme.
1.28 Puis il les bénit en disant : « Ayez des enfants, devenez nombreux. Remplissez la terre et dominez-la. Commandez aux poissons dans la mer, aux oiseaux dans le ciel et à tous les animaux qui se déplacent sur la terre. »
1.29 Dieu dit : « Sur toute la terre, je vous donne toutes les plantes avec leurs graines. Je vous donne aussi tous les arbres qui portent des fruits avec des pépins ou un noyau : ce sera votre nourriture.
1.30 Et je donne toute l’herbe verte comme nourriture à tous les animaux de la terre, à tous les oiseaux, à toutes les bêtes qui se déplacent sur le sol, en un mot, à tout ce qui est vivant. » Et cela arrive.
1.31 Dieu regarde tout ce qu’il a fait. Et il voit que c’est une très bonne chose. Il y a un soir, il y a un matin. Voilà le sixième jour.
2.1 Ainsi Dieu finit de créer le ciel, la terre et tout ce qu’il y a dedans.
2.2 Le septième jour, Dieu a terminé le travail qu’il a fait. Et le septième jour, il se repose de tout le travail qu’il a fait.
2.3 Dieu bénit le septième jour : il fait de ce jour-là un jour qui lui est réservé. En effet, ce jour-là, Dieu s’est reposé de tout son travail de créateur.
2.4 Voilà comment Dieu a créé le ciel et la terre.

Actes des Apôtres

Asan’ny Apostoly 2.14a ; 22- 36 (MRV)

14 Nitsangana i Petera sy ny iraika amby folo lahy, dia nanandra-peo ka niteny tamin’izy ireo hoe:
22 Ry lehilahy Israelita, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon’Andriamanitra teo aminareo tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin’Andriamanitra Azy teo aminareo, araka ny fantatrareo ihany,
23 Izy dia natolotra noho ny fandaharana sy ny fahalalan’Andriamanitra mialoha, ary nohomboinareo sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny olona tsy tan-dalàna;
24 nefa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan’ny fahafatesana, satria tsy azon’izany nohazonina Izy.
25 Fa i Davida dia milaza Azy hoe : «Nijery NY TOMPO teo anatrehako mandrakariva aho; satria eo ankavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho,
26 dia izany no nifalian’ny foko sy niravoravoan’ny lelako; ny nofoko koa dia hitoetra amin’ny fanantenana;
27 fa tsy ho foinao ho any amin’ny fitoeran’ny maty ny aiko ary tsy hamela Ilay Masinao ho tratry ny lo Ianao.
28 Nampahafantatra ahy ny lalan’aina Ianao; hampifaly ahy indrindra amin’ny tavanao Ianao» (Sal 16.8-11).
29 Ry rahalahy, aoka aho mba hilaza marina aminareo ny amin’i Davida patriarka, fa efa maty izy ka nalevina, ary eto amintsika mandraka androany ny fasany.
30 Satria mpaminany izy ka nahafantatra fa Andriamanitra efa nianiana taminy fa izay hateraky ny kibony no hapetrany eo ambonin’ny sezafiandrianany,
31 koa raha nahita mialoha izy dia nilaza ny fitsanganan’i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin’ny fitoeran’ny maty Izy, ary ny nofony dia tsy tratry ny lo.
32 Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra ary vavolombelon’izany izahay rehetra.
33 Rehefa nasandratry ny tanana ankavanan’Andriamanitra Izy sady nandray tamin’ny Ray ny Fanahy Masina izay nokasainy dia nandrotsaka izao hitanareo sy renareo izao.
34 Fa tsy i Davida no niakatra tany an-danitra; satria hoy izy : «NY TOMPO nilaza tamin’ny Tompoko hoe : Mipetraha eo ankavanako
35 ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao» (Sal 110.1).
36 Koa aoka ho fantatry ny taranak’Israely rehetra tokoa fa iny Jesosy nohomboinareo tamin’ny hazofijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra Tompo sy Kristy.

14 Alors Pierre, debout avec les onze apôtres, se met à dire d’une voix forte :
22 « Frères israélites, écoutez ce que je vais dire : Dieu vous a montré qui était Jésus de Nazareth. En effet, au milieu de vous, Dieu a fait par Jésus des miracles, des choses extraordinaires et étonnantes, vous le savez bien. 23 Cet homme, on vous l’a livré. Dieu savait cela d’avance, et l’avait décidé. Vous avez supprimé Jésus en le faisant clouer sur une croix par des gens qui ne connaissaient pas Dieu.
24 Mais Dieu l’a relevé en le délivrant des douleurs de la mort. En effet, la mort n’avait pas le pouvoir de le garder.
25 David a parlé de Jésus en disant : “Je voyais sans cesse le Seigneur devant moi. Oui, quand il est près de moi, je ne tombe pas.
26 Alors mon cœur se réjouit et ma bouche chante de joie. Et même dans la tombe, mon corps reposera plein d’espérance.
27 Non, tu ne m’abandonneras pas dans le monde des morts, tu ne laisseras pas ton ami fidèle pourrir dans la tombe.
28 Tu m’as montré les chemins qui conduisent à la vie, tu me rempliras de joie par ta présence.” »
29 Pierre ajoute : « Frères, je peux vous le dire très clairement : notre ancêtre David est mort, on l’a enterré, et sa tombe est encore chez nous aujourd’hui.
30 Mais David était prophète et il savait que Dieu lui avait fait ce serment : “Je mettrai un de tes enfants sur ton siège royal.”
31 « David avait prévu que le Christ allait se relever de la mort. En effet, il a dit : “Dieu ne l’abandonnera pas dans le monde des morts, et son corps ne pourrira pas dans la tombe.”
32 « Ce Jésus, Dieu l’a relevé de la mort, nous en sommes tous témoins.
33 Dieu l’a fait monter jusqu’à sa droite, il a reçu du Père l’Esprit Saint promis et il nous l’a donné. Voilà ce que vous voyez et entendez maintenant.
34 David n’est pas monté au ciel, et pourtant il a dit : “Le Seigneur déclare à mon Maître : viens t’asseoir à ma droite,
35 je vais mettre tes ennemis sous tes pieds.”
36 « Tout le peuple d’Israël doit donc le savoir de façon très sûre : ce Jésus que vous avez cloué sur une croix, Dieu l’a fait Seigneur et Christ. »

.

Evangile

Matio 28 : 16 – 20 (MRV)

Naniraka ny mpianany Ilay nitsangana tamin’ny maty
16 Ary ny mpianatra iraika amby folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesosy halehany.
17 Ary nony nahita Azy izy ireo dia niankohoka, nefa ny sasany dia nisalasala.
18 Ary nanatona Jesosy dia niteny taminy hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany;
19 koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina,
20 sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro Aho momba anareo mandrakariva, ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.

Jésus se montre à ses disciples
16 Les onze disciples partent pour la Galilée. Ils arrivent sur la montagne où Jésus leur a dit d’aller.
17 En voyant Jésus, ils l’adorent mais certains hésitent à croire.
18 Jésus s’approche et leur dit : « J’ai reçu tout pouvoir au ciel et sur la terre.
19 Allez chez tous les peuples pour que les gens deviennent mes disciples. Baptisez-les au nom du Père, du Fils et de l’Esprit Saint.
20 Apprenez-leur à obéir à tous les commandements que je vous ai donnés. Et moi, je suis avec vous tous les jours, jusqu’à la fin du monde. »

Retour en haut