
Ancien Testament
Mitaraina amin’Andriamanitra i Jeremia fa tsy vitany intsony
7 TOMPO ô, notaominao aho ka voataona ; nosamborinao aho ka resinao;;tonga fihomehezana mandritra ny andro aho ; izy rehetra dia maneso ahy.
8 Fa na oviana na oviana no itenenako dia tsy maintsy mitaraina aho, eny, miantso aho hoe: Loza sy fandravana ! Fa ny tenin’NY TOMPO dia atao fanakorana sy fihomehezana ahy isanandro.
9 Raha hoy aho : Tsy hanonona Azy intsony aho na hiteny amin’ny anarany intsony, dia tonga toy ny afo mirehitra ato am-poko izany, voahidy ato amin’ny taolako ary sasatra ny miaritra aho ka tsy mahazaka.
Jérémie se plaint à Dieu
7 Seigneur, tu m’as trompé, et je me suis laissé tromper. Tu m’as pris de force et tu as été le plus fort. Chaque jour, les gens rient de moi, tout le monde se moque de moi.
8 Chaque fois que je dois parler, je dois crier et annoncer : « Violence et destruction ! » Oui, chaque jour,
à cause de la parole du Seigneur, les gens m’insultent et se moquent de moi.
9 Je me dis alors : « Je ne penserai plus au Seigneur, je ne parlerai plus de sa part. » Mais tout au fond de moi, il y a comme un feu qui me brûle. Je me fatigue pour être plus fort que lui, et je n’y arrive pas.
.
Epître
1 Koa amin’izany, mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, ankasitrahan’Andriamanitra ; fanompoam-pivavahana tsara hataonareo izany.
2 Aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, mba hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no tanteraka.
1 Frères et sœurs chrétiens, Dieu est plein de bonté pour nous. Alors, je vous demande ceci : offrez-lui votre personne et votre vie, c’est le sacrifice réservé à Dieu et qui lui plaît. Voilà le vrai culte que vous devez lui rendre.
2 Ne suivez pas les coutumes du monde où nous vivons, mais laissez Dieu vous transformer en vous donnant une intelligence nouvelle. Ainsi, vous pourrez savoir ce qu’il veut : ce qui est bon, ce qui lui plaît, ce qui est parfait.
Evangile
Ambaran’i Jesosy ny hahafatesany sy ny hitsanganany amin’ny maty
21 Hatramin’izay andro izay no nanombohan’i Jesosy naneho tamin’ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijaly Azy mafy ny loholona sy ny lehiben’ny mpisorona ary ny mpanoradalàna, dia hovonoina Izy ary hatsangana amin’ny andro fahatelo.
22 Ary nitondra Azy nihataka kely i Petera ka niteny Azy mafy hoe: Sanatria Aminao izany, Tompoko! Tsy ho Aminao mihitsy izany.
23 Fa Izy nihodina ka niteny tamin’i Petera hoe : Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fandrika ho Ahy ianao, satria tsy misaina izay an’Andriamanitra ianao, fa izay an’ny olona.
Ny fomba fanarahana an’i Jesosy
24 Dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany : Raha misy olona ta hanaraka Ahy dia aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy.
25 Fa na iza na iza no ta hamonjy ny ainy dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny Amiko dia hahazo izany.
26 Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao izy, kanefa very ny ainy ? Ary inona moa no homen’ny olona ho takalon’ny ainy ?
27 Fa ho avy ny Zanak’Olona amin’ny voninahitry ny Rainy, miaraka amin’ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny asany.
Jésus annonce qu’il doit mourir et se réveiller de la mort
21 À partir de ce moment, Jésus-Christ commence à annoncer clairement à ses disciples : « Il faut que j’aille à Jérusalem. Je vais beaucoup souffrir à cause des anciens, des chefs des prêtres et des maîtres de la loi. Ils vont me faire mourir. Et le troisième jour, je me réveillerai de la mort. »
22 Alors Pierre prend Jésus à part et il se met à lui faire des reproches. Il lui dit : « Seigneur, que Dieu te protège ! Non, cela ne t’arrivera pas ! »
23 Mais Jésus se retourne et il dit à Pierre : « Va-t’en ! Passe derrière moi, Satan ! Tu es en train de me tendre un piège. En effet, tu ne penses pas comme Dieu, mais comme les hommes ! »
Comment suivre Jésus ?
24 Ensuite Jésus dit à ses disciples : « Si quelqu’un veut venir avec moi, il ne doit plus penser à lui-même. Il doit porter sa croix et me suivre.
25 En effet, celui qui veut sauver sa vie la perdra. Mais celui qui perdra sa vie à cause de moi, la retrouvera.
26 Si une personne gagne toutes les richesses du monde, mais si elle perd sa vie, à quoi cela lui sert-il ? Qu’est-ce qu’on peut payer en échange de la vie ?
27 Oui, le Fils de l’homme va venir avec ses anges, dans la gloire de son Père. Alors il récompensera chacun selon ses actions.
