
Ancien Testament
6 Mitadiava NY TOMPO dieny mbola mety ho hita Izy, miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.
7 Aoka hahafoy ny lalany ny ratsy fanahy, ary hahafoy ny heviny ny tsy marina; ary aoka hiverina ho amin’NY TOMPO ireny, fa hamindra fo aminy Izy; eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
8 Fa ny fihevitro dia tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa dia tsy mba lalako, hoy NY TOMPO.
9 Fa tahaka ny haavon’ny lanitra amin’ny tany no haavon’ny lalako amin’ny lalanareo sy ny fihevitro amin’ny fihevitrareo.
6 Cherchez le Seigneur pendant qu’il se laisse trouver. Faites appel à lui pendant qu’il est près de vous.
7 Les gens mauvais doivent abandonner leur conduite. Celui qui fait le mal doit abandonner ses pensées méchantes. Tous doivent revenir vers le Seigneur, car il aura pitié d’eux. Tous doivent revenir vers notre Dieu, car il pardonne généreusement.
8 Le Seigneur déclare : « Vos pensées ne sont pas mes pensées, mes façons de faire ne sont pas les vôtres.
9 Il y a une grande distance entre mes façons de faire et les vôtres, entre mes pensées et vos pensées. Elle est aussi grande que la distance entre le ciel et la terre.
.
Epître
Filipiana 1 : 20c – 24 ; 27a (MRV)
20 … ankehitriny koa dia amin’ny fahasahiana rehetra no hankalazana an’i Kristy ao amin’ny tenako, na amin’ny fiainana, na amin’ny fahafatesana.
21 Fa Kristy no antony ahavelomako ary ny fahafatesana no hahazoako tombony.
22 Kanefa raha ny ho velona amin’ny nofo no hampahavokatra ny asako dia tsy hitako izay hofidiko,
23 fa sanganehana eo anelanelan’izy roa aho: Maniry hiala aho ka ho ao amin’i Kristy, satria tsara lavitra izany;
24 kanefa ny hitoerako eo amin’ny nofo no mahasoa anareo kokoa.
Fiainana mifanaraka amin’ny Filazantsara
27 Izao ihany no teniko: Aoka ny fitondrantenanareo ho mendrika ny Filazantsaran’i Kristy ka na ho tonga hahita anareo aho na tsy ho tonga dia handre ny momba anareo, fa maharitra amin’ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny Filazantsara,
Philippiens 1 : 20c – 24 ; 27a (PDV)
20 … Aujourd’hui comme toujours, on verra en moi que le Christ est grand, soit par ma vie soit par ma mort.
21 Oui, pour moi, vivre, c’est le Christ, et si je dois mourir, j’y gagne !
22 Mais si, en continuant à vivre, je peux faire un travail utile, je ne sais pas quoi choisir.
23 Je suis tiré des deux côtés : j’ai envie de quitter cette vie pour être avec le Christ, et c’est en effet beaucoup mieux !
24 Mais rester sur la terre, c’est plus utile à cause de vous.
Le combat pour la Bonne Nouvelle
27 Mais vivez comme la Bonne Nouvelle du Christ le demande. Ainsi, si je viens, je vous verrai, et si je ne viens pas, j’entendrai parler de vous. Alors je saurai que vous restez solides, très unis entre vous, et que vous luttez ensemble et d’un même cœur, pour garder la foi que la Bonne Nouvelle apporte.
Evangile
Ireo mpiasa tamin’ny ora farany
1 Fa ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy tompon-trano iray, niainga vao maraina mba hanakarama mpiasa ho any an-tanim-boalobony.
2 Ary rehefa nifanekeny tamin’ny mpiasa fa ho denaria iray isanandro ny karamany dia nasainy nankany amin’ny tanim-boalobony ireny.
3 Niainga indray izy tamin’ny ora fahatelo dia nahita ny sasany nipetra-potsiny teny an-tsena
4 ka hoy izy taminy: Mandehana koa ianareo mankany amin’ny tanim-boaloboka fa izay tokony ho izy no homeko anareo. Dia lasa ireny.
5 Ary niainga indray izy tamin’ny ora fahenina sy fahasivy ka niteny toy izany koa.
6 Rehefa tokony ho tamin’ny ora fahiraika amby folo dia niainga indray izy ka nahita ny sasany nipetra-potsiny dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no mipetra-potsiny eto mandritra ny andro ?
7 Hoy ireo taminy : Satria tsy nisy olona nanakarama anay. Dia hoy Ralehilahy taminy: Mandehana koa ianareo mankany amin’ny tanim-boaloboka.
8 Rehefa hariva ny andro dia hoy ny tompon’ny tanim-boaloboka tamin’ny mpitandrina ny raharahany : Antsoy ny mpiasa ka aloavy ny karamany: Atombohy amin’ireo farany mankany amin’ny voalohany.
9 Ary rehefa tonga ireo nokaramaina tamin’ny ora fahiraika amby folo dia samy denaria iray avy no azon’ny tsirairay.
10 Fa rehefa tonga ireo voalohany dia nanantena hahazo mihoatra izy; kanjo samy denaria iray avy ihany no azony.
11 Koa rehefa nahazo izany izy ireo dia nimonomonona tamin’ny tompon-trano ka niteny hoe :
12 Ireo olona farany ireo dia niasa ora iray monja, kanefa nataonao mitovy aminay izay niaritra ny fahatrotrahana sy ny hafanana.
13 Fa hoy izy tamin’ny iray : Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy rariny aminao aho; tsy denaria iray va no nifanekenao tamiko ?
14 Raiso ny anao ka mandehana; fa ilay farany dia tiako homena tahaka ny anao koa.
15 Tsy mahazo manao izay tiako hatao amin’ny ahy va aho ? Ratsy va ny masonao satria tsara aho ?
16 Dia toy izany, ny farany dia ho voalohany ary ny voalohany dia ho farany.
L’histoire des ouvriers dans la vigne
1 « Le Royaume des cieux ressemble à ceci : Un propriétaire sort, le matin, de bonne heure. Il veut embaucher des ouvriers pour sa vigne.
2 Il décide avec les ouvriers de leur donner une pièce d’argent pour la journée, et il les envoie à la vigne.
3 À neuf heures du matin, il sort de nouveau. Il voit d’autres ouvriers qui sont là sur la place et qui ne font rien.
4 Il leur dit : “Vous aussi, allez travailler dans ma vigne, et je vous donnerai un salaire juste.”
5 Les ouvriers vont à la vigne. Le propriétaire sort encore à midi et à trois heures de l’après-midi, et il fait la même chose.
6 Enfin, vers cinq heures de l’après-midi, il sort. Il trouve d’autres ouvriers qui sont là sur la place et il leur demande : “Pourquoi est-ce que vous restez là, toute la journée, sans rien faire ?”
7 Ils lui répondent : “Parce que personne ne nous a embauchés.” Le propriétaire leur dit : “Vous aussi, allez travailler dans ma vigne.”
8 « Quand le soir arrive, le propriétaire de la vigne dit à son serviteur : “Appelle les ouvriers et donne à chacun son salaire. Commence par ceux que j’ai embauchés en dernier et finis par ceux que j’ai embauchés en premier.”
9 Ceux qui ont travaillé à partir de cinq heures de l’après-midi arrivent, et ils reçoivent chacun une pièce d’argent.
10 Ceux qui ont travaillé les premiers arrivent à leur tour et ils pensent : “Nous allons recevoir davantage.” Mais eux aussi reçoivent chacun une pièce d’argent.
11 En la recevant, ils critiquent le propriétaire
12 et ils disent : “Ces ouvriers sont arrivés en dernier. Ils ont travaillé pendant une heure seulement, et tu les as payés comme nous ! Pourtant nous avons supporté la fatigue toute la journée, et nous avons travaillé sous le soleil !”
13 Le propriétaire répond à l’un d’eux : “Mon ami, je ne suis pas injuste avec toi. Tu étais bien d’accord avec moi pour recevoir une pièce d’argent pour la journée.
14 Prends ton salaire et va-t’en. Je veux donner à cet ouvrier arrivé en dernier autant qu’à toi.
15 J’ai le droit de faire ce que je veux avec mon argent, n’est-ce pas ? Est-ce que tes pensées sont mauvaises parce que je suis bon ?” »
16 Et Jésus ajoute : « Ainsi, les derniers seront les premiers, et les premiers seront les derniers. »
