Péricope du Jeudi 02 Avril 2026 (Jeudi saint)

Salamo 116 (MRV)

1 Izaho dia tia NY TOMPO satria efa nandre ny feon’ny fifonako Izy;
2 satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy; dia hiantso aho raha mbola velona koa.
3 Nihodidina tamiko ny famatoran’ny fahafatesana ary nahazo ahy ny fahorian’ny fitoeran’ny maty; nahita fahoriana sy alahelo aho.
4 Dia niantso ny anaran’NY TOMPO aho hoe: Mifona Aminao aho, TOMPO ô, afaho aho.
5 Mamindra fo sy marina NY TOMPO; eny, miantra Andriamanitsika.
6 Miaro ny olona tso-po NY TOMPO; reraka aho dia namonjy ahy Izy.
7 Miverena ho amin’ny fitsaharanao, ry fanahiko, fa NY TOMPO efa nanisy soa anao.
8 Ianao dia nanafaka ny fanahiko tamin’ny fahafatesana sy ny masoko tamin’ny ranomaso ary ny tongotro tamin’ny fahatafintohinana.
9 Handeha eo anatrehan’NY TOMPO eo amin’ny tanin’ny velona aho.
10 Nanam-pinoana tokoa aho na dia niteny aza hoe: Reraka loatra aho.
11 Hoy aho tamin’ny fahatairako : Mpandainga ny olona rehetra.
12 Inona no havaliko NY TOMPO noho ny soa rehetra nataony tamiko ?
13 Handray ny kapoaky ny famonjena aho ka hiantso ny anaran’NY TOMPO.
14 Hanefa ny voadiko amin’NY TOMPO aho; eny, eo anatrehan’ny olony rehetra.
15 Sarobidy eo imason’NY TOMPO ny fahafatesan’ny olony masina.
16 Indrisy, TOMPO ô! Mpanomponao tokoa aho; eny, mpanomponao sady zanaky ny mpanompovavinao. Namaha ny fatorako Ianao.
17 Ianao no hanolorako fanati-pisaorana, ary ny anaran’NY TOMPO no hantsoiko.
18 Hanefa ny voadiko amin’NY TOMPO aho eny, eo anatrehan’ny olony rehetra,
19 dia eo an-kianjan’ny tranon’NY TOMPO, eo afovoanao, ry Jerosalema ô ! Haleloia.

Psaume 116 (PDV)

1 J’aime le Seigneur, car il m’écoute quand je crie vers lui.
2 Il a tendu vers moi son oreille, et toute ma v ie, je ferai appel à lui.
3 La mort me tenait déjà attaché, le monde des morts m’avait pris dans ses chaînes, j’avais très peur et j’étais très malheureux.
4 J’ai appelé le Seigneur par son nom : « Ah ! Seigneur, sauve-moi ! »
5 Le Seigneur a pitié, il est juste, notre Dieu aime avec tendresse.
6 Le Seigneur protège les gens simples, j’étais faible, il m’a sauvé.
7 Allons, je dois retrouver mon calme, car le Seigneur m’a fait du bien.
8 Tu m’as sauvé de la mort, tu as essuyé mes larmes, tu m’as empêché de tomber.
9 C’est pourquoi je marcherai sous le regard du Seigneur, sur la terre des vivants.
10 J’ai gardé confiance, même quand je disais : « Je suis vraiment très malheureux ! »
11 Je ne savais plus où j’en étais, je disais : « Tous les humains sont des menteurs ! »
12 Comment rendre au Seigneur tout le bien qu’il m’a fait ?
13 Je lèverai la coupe de la victoire et j’appellerai le Seigneur par son nom.
14 Je tiendrai mes promesses envers le Seigneur, devant tout son peuple.
15 Le Seigneur souffre en voyant mourir ses amis fidèles.
16 Ah ! Seigneur, je suis ton serviteur, oui, ton serviteur, le fils de ta servante. Tu as détaché mes chaînes.
17 Je t’offrirai un sacrifice pour te remercier et j’appellerai le Seigneur par son nom.
18 Je tiendrai mes promesses envers le Seigneur, devant tout son peuple,
19 dans les cours de la maison du Seigneur, au milieu de toi, Jérusalem. Chantez la louange du Seigneur !

.

Eksodosy 12 : 1 – 14 (MRV)

Ny Paska
1 Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Arona teo amin’ny tany Ejipta hoe :
2 Ity volana ity no volana voalohany ho anareo; ho volana voalohany amin’ny taona ho anareo izany.
3 Mitenena ianareo amin’ny fiangonan’ny Israely manontolo hoe: Amin’ny andro fahafolo amin’ity volana ity dia aoka haka zanak’ondry na zanak’osy iray avy ny isam-pianakaviana, zanak’ondry iray avy isan-trano.
4 Raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ondry iray dia aoka izy sy izay namany mifanakaiky trano aminy no haka araka izay isan’ny olona; araka izay tokony ho lanin’ny olona no hifidiananareo ilay zanak’ondry.
5 Zanak’ondry tsy misy kilema, na zanak’osy, ary lahy izay iray taona, no halainareo; halainareo amin’ny ondry na amin’ny osy izany.
6 Hotahirizinareo hatramin’ny andro fahefatra amby folo amin’ity volana ity izany; dia hamono azy amin’ny hariva ny fiangonan’ny Israely manontolo.
7 Ary hakana ny ra ka hatentina amin’ny tolanam-baravarana roa sy amin’ny tataom-baravaran’ny trano izay hihinanana azy.
8 Dia hohanina amin’izany alina izany ny hena; voatsatsika tamin’ny afo no hihinanana azy, miaraka amin’ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin’ny anana mangidy.
9 Aza hanina manta na voahandro amin’ny rano izany fa atsatsiho amin’ny afo mbamin’ny lohany sy ny tongony ary ny taovany.
10 Aza asianareo sisa ho tra-maraina; fa raha toa ka misy sisa tsy lany ka tra-maraina dia hodoranareo amin’ny afo izany.
11 Toy izao no hataonareo rehefa mihinana azy: Ho voasikina ianareo, ary hisy kapa ny tongotrareo, ary ho eny an-tananareo ny tehinareo; dia hohaninareo haingana izany, fa Paska an’NY TOMPO.
12 Fa handeha hamakivaky ny tany Ejipta amin’izany alina izany Aho ka hamono ny lahimatoa rehetra ao amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy. Hanao fitsarana amin’ireo andriamanitry ny Ejiptiana rehetra Aho. Izaho no TOMPO.
13 Ary ny ra dia ho famantarana ho anareo eo amin’ny trano izay itoeranareo. Koa raha mahita ny ra Aho dia handalo anareo fotsiny ka tsy hisy loza handringana anareo rehefa mamely ny tany Ejipta Aho.
14 Izany andro izany dia ho andro fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’NY TOMPO; hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalàna maharitra.

Exode 12 : 1 – 14 (PDV)

La première Pâque en Égypte
1 Le Seigneur dit à Moïse et à Aaron en Égypte :
2 « Ce mois-ci marquera pour vous le début de l’année. Ce sera le premier mois.
3 Allez dire à toute la communauté d’Israël : Le 10 de ce mois, prenez un agneau ou un cabri par famille ou par maison.
4 Si une famille est trop petite pour manger un animal entier, elle se mettra d’accord avec une famille voisine, en tenant compte du nombre de personnes. Vous choisirez l’animal d’après ce que chacun peut manger.
5 Vous choisirez un mouton ou un cabri d’un an, mâle, sans défaut.
6 Vous le garderez jusqu’au 14 du mois. Le soir de ce jour-là, dans la communauté d’Israël rassemblée, vous égorgerez l’animal choisi.
7 Vous prendrez son sang. Et dans chaque maison où on mangera un de ces animaux, on couvrira de sang les deux montants et la poutre au-dessus de la porte d’entrée.
8 On fera griller la viande, puis, pendant la nuit, on la mangera avec des pains sans levain et des herbes amères.
9 Vous ne mangerez pas la viande crue, ni bouillie. Vous la ferez griller sur le feu avec la tête, les pattes et les autres morceaux de l’animal.
10 Vous ne garderez rien pour le jour suivant. S’il reste quelque chose le matin, vous le brûlerez.
11 Voici dans quelle tenue vous mangerez ce repas : les vêtements serrés autour de la taille, les sandales aux pieds et un bâton à la main pour marcher. Vous mangerez vite. Ce sera la Pâque, une fête pour moi, le Seigneur.
12 « Cette nuit-là, je traverserai l’Égypte et je ferai mourir tous les premiers-nés de ce pays, les premiers-nés des hommes et aussi des animaux. De cette façon, moi, le Seigneur, je condamnerai tous les faux dieux d’Égypte.
13 Mais sur les maisons où vous habitez, le sang sera un signe qui vous protégera. Je verrai le sang et je passerai au-dessus de vos maisons sans m’arrêter. Ainsi, quand je frapperai l’Égypte, le malheur qui détruit ne vous atteindra pas.
14 « Ce jour-là sera pour vous un jour de souvenir, et vous ferez une grande fête pour moi, le Seigneur. C’est une règle pour toujours, vous la respecterez de génération en génération. »

1 Korintiana 11 : 23 – 25 (MRV)

23 Fa efa nandray tamin’ny Tompo izay natolotro anareo kosa aho, fa Jesosy Tompo tamin’iny alina izay namadihana Azy iny dia nandray mofo,
24 ary rehefa nisaotra Izy dia novakiny ilay mofo ka hoy Izy: Ity no tenako izay vakina ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.
25 Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, ary hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin’ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro ianareo.

1 Corinthiens 11 : 23 – 25 (PDV)

23 Voici la tradition que moi, j’ai reçue du Seigneur et que je vous ai fait connaître : la nuit où le Seigneur Jésus a été livré, il a pris du pain.
24 Il a remercié Dieu, puis il a partagé le pain et il a dit : « Ceci est mon corps. Il est pour vous. Faites cela en souvenir de moi. »
25 Après le repas, le Seigneur a pris aussi la coupe de vin et il a dit : « Cette coupe est la nouvelle alliance de Dieu, parce que mon sang est versé pour vous. Toutes les fois que vous en boirez, faites cela en souvenir de moi. »

Jaona 13 : 1 – 15 (MRV)

Ny nanasan’i Jesosy ny tongotry ny mpianany
1 Talohan’ny andro firavoravoana tamin’ny Paska, satria fantatr’i Jesosy fa tonga ny fotoana hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray, ary tia ny Azy izay ao amin’izao tontolo izao Izy, dia tia azy hatramin’ny farany.
2 Raha mbola teo amin’ny fisakafoanana hariva izy ireo, ary i Jodasy iskariota, zanak’i Simona, dia efa nomen’ny devoly saina rahateo mba hamadika Azy,
3 sady fantatr’i Jesosy koa fa ny Ray efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tanany, ary Andriamanitra no niaviany, sady Andriamanitra koa no iverenany,
4 dia nitsangana niala teo am-pisakafoanana Izy ka nametraka ny akanjony ivelany ary naka lamba famaohana ka nisikinany;
5 avy eo dia nampidina rano tamin’ny koveta Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin’ny lamba famaohana izay nisikinany.
6 Dia nankeo amin’i Simona Petera Izy; fa hoy i Petera Taminy : Tompoko, Ianao va no hanasa ny tongotro ?
7 Dia hoy Jesosy: Izay ataoko dia tsy fantatrao ankehitriny fa ho fantatrao aorianan’izao.
8 Fa hoy i Petera taminy: Sanatria raha hanasa ny tongotro Ianao. Dia hoy Jesosy hoe: Raha tsy hosasako ianao dia tsy manana anjara Amiko.
9 Dia hoy i Simona Petera Taminy: Tompoko, tsy ny tongotro ihany ary fa ny tanako sy ny lohako koa.
10 Fa hoy Jesosy taminy: Izay efa nandro dia tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany, fa efa madio avokoa; ary ianareo dia madio, nefa tsy ianareo rehetra.
11 Fa fantany ilay efa hamadika Azy; koa izany no nilazany hoe : Tsy madio avokoa ianareo rehetra.
12 Rehefa voasasany ny tongony dia nandray ny akanjony ivelany Izy ka nipetraka indray sady niteny taminy hoe : Fantatrareo va izay nataoko taminareo ?
13 Ianareo dia miantso Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo; ary marina ny filazanareo fa izany tokoa Aho.
14 Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo koa dia mba tokony hifanasa tongotra.
15 Fianarana no nomeko anareo mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.

Jean 13 : 1 – 15 (PDV)

Jésus lave les pieds de ses disciples
1 C’est le dernier jour avant la fête de la Pâque. Jésus sait que le grand moment arrive pour lui : il doit quitter ce monde et aller auprès du Père. Il a toujours aimé ses amis qui sont dans le monde, et il les aime jusqu’au bout.
2 Jésus et ses disciples prennent le repas du soir. L’esprit du mal a déjà mis dans le cœur de Judas, le fils de Simon Iscariote, l’intention de livrer Jésus.
3 Mais Jésus est venu de Dieu et il va auprès de Dieu. Jésus sait cela, et il sait aussi que le Père a tout mis dans ses mains.
4 Pendant le repas, il se lève, il enlève son vêtement de dessus et il prend un linge pour le serrer autour de sa taille.
5 Ensuite, il verse de l’eau dans une cuvette. Il se met à laver les pieds de ses disciples et à les essuyer avec le linge qu’il a autour de la taille.
6 Il arrive près de Simon-Pierre, qui lui dit : « Toi, Seigneur, tu veux me laver les pieds ? »
7 Jésus lui répond : « Maintenant, tu ne sais pas ce que je fais, mais tu comprendras plus tard. »
8 Pierre lui dit : « Non ! Tu ne me laveras jamais les pieds ! » Jésus lui dit : « Si je ne te lave pas les pieds, tu ne pourras pas être avec moi. »
9 Simon-Pierre lui dit : « Alors, Seigneur, ne me lave pas seulement les pieds, mais aussi les mains et la tête ! » 10 Jésus lui répond : « Celui qui s’est baigné n’a pas besoin de se laver, sauf les pieds. En effet, il est propre tout entier, il est pur. Vous, vous êtes purs, mais pas tous. »
11 Jésus sait qui va le livrer, c’est pourquoi il dit : « Vous n’êtes pas tous purs. »
12 Quand Jésus a fini de laver les pieds de ses disciples, il remet son vêtement et il s’assoit. Il leur dit : « Est-ce que vous comprenez ce que je vous ai fait ?
13 Vous m’appelez “Maître” et “Seigneur”, et vous avez raison : je suis Maître et Seigneur.
14 Alors si moi, le Seigneur et le Maître, je vous ai lavé les pieds, vous aussi, vous devez vous laver les pieds les uns aux autres.
15 Je vous ai donné un exemple : ce que je vous ai fait, faites-le vous aussi.

Retour en haut